Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-17

10 Dia niainga izy, ka nankany Sarefta. Nony mby teo am-bavahadin'ny tanàna izy, indro nisy vehivavy mpitondratena anankiray teo nanangon-kitay hazo, dia nantsoiny ka nataony hoe: Aza mahafady, mba angalao rano kely amin'ny fisotroana aho hosotroiko. 11 Dia nandeha naka rano ravehivavy. Nantsoiny izy ary nataony hoe: Dia mba itondray mofo kely eny an-tànanao aho, raha sitrakao. 12 Fa hoy ny navaliny: Velona Iaveh Andriamanitrao, tsy misy zavatra masaka ao amiko; lafarina eran-tanan'ila ao am-bilany sy diloilo kely foana ao amin'ny siny no hany ananako. Ary indro aho manangona tapa-kazo roa izao, dia hody hanamboatra izany ho anay mianaka; hohaninay izany, dia ho faty izahay. 13 Fa hoy Elia taminy: Aza matahotra, fa modia ka ataovy izany voalazanao izany. Nefa anaovy mofo kely amin'izany aho aloha, dia ento mankatý amiko, vao manao ho anao sy ny zanakao hianao. 14 Fa izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Ny lafarina ao am-bilany tsy ho lany, ny diloilo ao an-tavoara tsy hihena akory mandra-pihavin'ny andro handatsahan'ny Tompo ranonorana eto ambonin'ny tany. 15 Dia nandeha ravehivavy, nanao araka ny tenin'i Elia, ka nanan-kohanina ela izy sy ny ankohonany, ary Elia koa. 16 Ny lafarina tao am-bilany tsy lany, ny diloilo tao an-tavoara tsy nihena, araka ny tenin'ny Tompo nolazainy tamin'ny alalan'i Elia.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1356